👣 Manao dingan'ny finoana ve ianao?
Mahatsapa izany koa ve ianao izao ry namako?
Miandry anao ve Andriamanitra hanao dingana amin’ny finoana? Efa nametraka zavatra tao am-ponao ve Izy izay heverinao hoe: “Tsy hety mihitsy izany…”
Raha ny marina, tena mahamenatra ny mieritreritra ireo feo maro be izay inoantsika. Rehefa ambaran’ny vinavinan'ny toetr'andro fa mety hahatonga aretin'andoha ny toetr'andro anio, dia isika no mino voalohany fa:
1. Harary andoha isika anio ary
2. Ny toetrandro no mahatonga azy ireo.
Kanefa rehefa mametraka eritreritra ao am-pontsika Andriamanitra izay toa mifanentana tsara amin'ny talentantsika sy ny nofinofintsika, dia mitady porofo fanampiny isika mba hanamafisana fa izany tokoa no izy. Misalasala isika…, “ahoana raha…?” Izany rehetra izany dia satria mangetaheta fiarovana isika!
Amin’ny maha-olombelona antsika, dia matetika isika no miandry mba ahafantatra bebe kokoa ny “zava-drehetra amin’ny ankapobeny” alohan’ny hanaovana ilay dingana iray izay asain’Andriamanitra ataontsika amin’izao fotoana izao. Satria mamela ny tenantsika hotarihin'ny tahotra sy ny fisalasalana isika - fa tsy amin'ny fahatokisana ny fahafahan'Andriamanitra.
Rehefa mampihemotra ho “atỳ aoriana” ny tokony ataonao ianao manoloana ny fisainan’Andriamanitra dia manemotra ny asan’Andriamanitra ho “atỳ aoriana” ihany koa.
Rehefa niteny tamin’i Abrama Andriamanitra hoe: “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao;” (Genesisy 12.1), nety ho tsy niraharaha izay reny i Abrama …. na raiki-tahotra tamin'ilay hevitra hoe handao ilay toerana nisy ny fiarovana rehetra, sy ilay faritra nampiadana azy... Inona no nitranga?
Tsia, tsy nametraka fanontaniana i Abrama, satria voalaza hoe: “Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy, ary Lota zana-drahalahiny koa mba niaraka taminy”. (Genesisy 12.4)
Ry namako, tena maniry mafy aho anio hoe ity ilay fanamafisana faharoa izay tokony horaisinao amim-pahamatorana sy hamerina izay efa nolazain’Andriamanitra taminao hoe: “Mankatoava ary miomana andeha – dia ho hitanao ny hamaroan’ny fitahiana ho azo”!
Mamporisika anao aho haka fotoana kely anio handraisana ny fanapahan-kevitra - angamba mety ilay hanova ny fiainanao mihitsy aza!
Tena tsy andriko ny hahita izany... Hahafinaritra izany!