🫠Voafatotra ve ianao?
Ahoana raha manana fikasana HAFA HO anao Andriamanitra?
Na dia eo aza ny fisalasalanao sy ilay hoe: "Tsy mino aho fa te hampiasa ahy mandritra ny 24 ora tsy ankiato Andriamanitra". Tsy ianao irery no mieritreritra toy izany... Ny fisalasalana, ny tahotra, ny tsy fifantohana, ary ihany koa ny fahazarantsika no manakana ny lalantsika. Izany no antony hiarahantsika hamafa azy ireo mandritra ity herinandro ity! Ny tiako ambara dia ny hoe: “Omeo toerana BEBE kokoa izay efa nomanin’Andriamanitra ho anao ”!
Fantatrao ve hoe inona no tena mamatotra antsika indrindra eto an-tany, ry namako?
Ny fahazarana. Tsy misy zavatra tena mamatotra antsika mihoatra noho ny fahazarana. Tsy te hanova izany isika satria mahatsapa fa toy ny efa anatintsika izy io, kanefa tsy izay mihitsy ny tokony ho izy. Ary matetika dia handoavantsika sarany lafo tokoa izany indraindray, nefa dia tsy tsapantsika akory aza !
“Tena tiako hiova ny fiainako.” Tsy mba nanana izany fahatsapana izany koa ve ianao amin’izao, ry namako?
Izaho manokana, dia matetika aho no mieritreritra an’ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no ahafahako miova, mba tsy ho lasa fahazarana ireto tsy fahatanterahana misy ankehitriny ireto?”
Ny tena marina, mihatra amin'ny sehatra rehetra amin'ny fiainantsika izany ry namana. Andeha isika haka ohatra tena tsotra: Raha nisakafo be loatra isika ary lasa miha tery ny pataloha, dia tsy afa-po isika. Na manao ahoana na manao ahoana ny fitarainantsika hoe: “Oh là là, tsy mahazo aina aho”, tsy manova na inona na inona izany.
Rehefa mandray fanapahan-kevitra hentitra isika: "Hitandrina ny sakafoko aho manomboka izao," izay vao mety hihena ny lanjanao - ary eo no ho eo dia hahatsiaro ho maivana kokoa ianao, afa-po ary faly kokoa!
Raha mihinana foana "amin'ny fahazarana" izay tiantsika isika, dia lasa hanaiky "amin'ny fahazarana" ihany koa ny tsy fahatanterahana eo amin'ny fiainantsika… izay mitera-doza!
Ry namako, mamelà ahy hanontany anao hoe inona no "tohizanao hohanina" noho ny fahazarana, na dia tsy mahasoa anao aza izany? Inona no fahazarana "mahavoafatotra" anao?
Adinontsika indraindray fa tsy voatery “hijanona hifatotra” eo intsony isika: “Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo”. (2 Korintiana 5.17)
Anio dia andro mahafinaritra hanaovana veloma ireo tsy fahantaterahana, amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra matotra hiala amin'io fahazaran-dratsy io! Ary mivavaka aho mba homen’Andriamanitra hery hanaovana izany dingana lehibe izany ianao!
Ataovy veloma ny fahazaranao taloha anio,
Mialà amin'ny tsy fahatanterahana ho amin'ny fahatanterahana!